Ambohimangakely : Halatra fiara 4X4, raikitra ny fifanenjehana

Omaly antoandro no niseho ny halatra fiara 4X4 iray marika Kia Sorento miloko “grenat” teny amin’ny faritra Ambohimangakely. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa fiara hamidy izy io ary nanao andrana ny mpividy omaly. Nijanona teny Ambohimangakely ary nandeha vetivety nivoaka ny tompony. Vao dify kely anefa izy dia nentin’ireo voalaza fa mpividy nirifatra ny fiara. Tetsy andaniny koa anefa dia misy vaovao hafa nilaza fa efa nomanina ity halatra ity ary teny amin’ny faritra voalaza no notanterahina izany. Ohatra ny voan’ny fandraikiraikena izany fotsiny ilay mpivarotra. Raha vao lasa moa ilay fiara dia nihazo ny lalana By Pass. Raikitra teo no ho eo ihany ny fanenjehana. Tsy tratra anefa ilay izy. Nihazo an’Alasora ny dian’ireo mpangalatra. Nisy polisy misahana ny fifamoivoizana nahita ny nandalovany teny amin’ny toerana niasan’izy ireo. Toa mbola tsy nandeha anefa ny filazana mikasika ilay halatra ka tsy nahafantatra na inona na inona izy ireo. Fotoana elaela taty aoriana vao napetraka ny barazy amin’ny faritra maro tokony ho nizoran’ireo mpangalatra. Omaly hariva dia nisy ny voavao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana fa misy fiara mampiahiahy hita any amin’ny lalana Anjeva. Tsy fantatra aloha na io ilay nisy naka na tsia fa efa nandeha nijery any ny tompon’ilay very. Etsy andaniny, mitohy hatrany ny fikarohana an’ilay fiara sy ireo olona nitondra azy nandositra.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication