Voka-pifidianana : Roalahy nifamono tao anaty taxi-brousse

Niakatra ny maripana afak’omaly tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, satria samy tsy nisy nety gisitra sy nanaiky lembenana. Gaga ny mpandeha hafa tamin’ilay taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Sakaraha satria niady nifamono tsy nety nosarahana mihitsy ny mpandeha roa tao anatin’ity fiara ity, noho ny ady momba ny voka-pifidianana. Voatery najanona hatramin’ny fiara mihitsy. Nivadika ho fifandirana sy fifampikasihan-tanana ny fifamaliana vokatry ny voka-pifidianana. Ny iray tsy nahatsindry fo voatifitra totohondry aza saika haka antsy hatsindrona ny namely azy. Samy manana kandidà tohanana tamin’ny fifidianana farany teo izy mirahalahy ireto. Tsy nitovy ny fomba fijery satria nanao hala-bato manara-penitra hono ny andaniny, ka samy niakatra afo. « Ny ombilahy no miady ka ny votsotra no tera-tay », hoy ny Ntaolo. Nilaza ho samy vonona hiaro ny safidiny hatramin’ny farany izy roalahy ireto.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication