67 ha : Tsatok’antsy fito no hita tamin’ilay faty

Tovonirina no anarany, 21 taona ary manao asa madinidinika toa ny fibatàna entana eny amin’ny manodidina an’ny 67 ha iny izy. Nahonena ny olona ny nanjo azy sy ny fomba nahafatesany. Toa izao ny zava-nisy. Ny alin’ny krismasy teo, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany,  nisy lehilahy  dimy nandroba vehivavy nitazona irony “taxi-phone” irony. Avy hatrany dia nendahin’ireo ny kitapo kely mba nisy ny vola maty indray andro tany amin’io andriambavilanitra io. Nahita maso an’izany i  Tovonirina ary nandratra ny fony ny zava-nitranga. Mba niezaka nanao izay ho afany izy tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tany alohaloha tany anefa dia nijanonan’ireo mpangalatra izy. Be noho ny vitsy rahateo hany ka nanarampo ireo olon-dratsy nidaroka azy. Tsindron’antsy  fito no hita tamin’ny vatany, ankoatra ny mangana rehetra. Navelan’izy ireo teo amin’ny sisin-dàlana ilay razana dia iny izy ireo no tsy hita. Niezaka namonjy ny olona sendra nandalo,saingy efa tsy nisy aina intsony ilay tovolahy. Nandalo teo ny mpitandro ny filaminana nijery ny fahavoazana, torak’izany ihany koa ny dokoteran’ny BMH. Nentina tany amin’ny tranompaty ny razana nony avy eo. Raha tsiahivina dia ny andron’ny Noely ihany koa no nisian’ny sakoroka tao amin’ny toeram-pisotroana iray tao 67 ha. Tao indray dia voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nisambotra ilay mpanakorontana. Tsy nifanalavitra tamin’ny toerana nahitàna ilay faty ny misy ilay bar. Midika izany nisinisy ny herisetra teo 67ha nandritra ny andron’ny noely.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication