Androndra : “Maçon” maty natsipin’ny herinaratra

Teo am-panatontosana ny asany izy no niharan-doza. Niakatra tany amin’ny tafotrano ity lehilahy mpanao trano ity. Teo am-pihanihana izy no naharay “fil” tampoka, io anefa dia mitondra herinaratra matanjaka (courant force). Natsipin’izany avy teny ambony teny izy. Roa arak’izany fahavoazana : ny herinaratra nihinana azy ary koa ny fianjerana avy eny ambony. Torana tsy nahatsiaro tena nanomboka teo ilay lehilahy. Tapaka ihany koa ny tànany ary nilatsaka ny sorony, raha araka ny fanampim-panazavana azo. Tonga teny amin’ny hopitaly ihany, saingy efa tsy nisy aina intsony izy na dia natao aza ny fitsaboana rehetra mifanandrify tamin’ny fahavoazany. Mbola tafiditra tao anatin’ireo isan’ny namoy ny ainy nandritra ny vaninandro fety farany teo ity rangahy ity. Ny sasany dia fisotroan-toaka na koa novonoin’ny jiolahy (jereo lahatsoratra etsy ambony) ny antony nahafaty azy ireo.Tao anatin’iny andro fety iny ihany koa no nisy tapakevitra ny namono tena. Raha ny fantatra dia roa vavy sy iray lahy no nikasa nanao an’izany. Mba avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo rehefa tongan’ny olona ara-potoana teny amin’ny hopitaly.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication