Toamasina : Ankizivavy 12 taona maty nohosen’ny camion

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana ankizivavy 12 taona, omaly tany Toamasina. Ny vaovao no nahalalana fa nipoaka mihitsy ny lohan’ilay ankizy. Teny amin’ny “Boulevard Melville”, tsy lavitra ny “barriere”, no niseho ny loza. Mpirahavavy izy ireo no niaraka. Nikasa ny hiampita ny arabe. Nandalo ny “semi remorque” iray nitondra conteneurs marobe feno entana mavesatra. Nandeha faran’izay mora ilay faira satria feno lavaka ny lalana. Tsy fantatra izay tao an-tsain’ireto ankizy fa raha nahita izany ry zareo dia nisitrika tao amban’ilay fiara hamonjy ny eny ampita. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa ilay zokiny, tafita soa aman-tsara. Tsy afaka kosa anefa ilay kely ka voahosin’ny kodiarana aoriana. Teo amin’ny lohany no voa ary dia maty tsy tra-drano izy. Nitangorona avy hatrany ny olona nizaha ny zava nisy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa vao haingana izy ireo no tonga tao Toamasina, izay misy ny ray aman-dreniny. Avy lavitra izy no nandeha tao. Vahiny amin’ny fifamoivoizana an-tanan-dehibe ka nihevitra fa azo atao avokoa ny fomba rehetra raha hiampita arabe.

J.C.S/ r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication