Tapatapany

Jacaranda

#  Ambohidratrimo. Olona hita faty. Olona iray no hita faty teny amin’ny toerana atao hoe Ambodifasy tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tsy fantatra mazava ny antony fa izy efa tsy nisy aina intsony no nisy nahita tamina toerana iray. Rehefa nandeha mantsy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filamina dia fantatra fa handeha hamonjy asa izy io. Niala tany an-tranony tamin’ny 4 ora maraina.

#  Ambohidratrimo. Loza tao anaty fiolahana. Ny andron’ny 28 desambra teo, nisehoana loza teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankadibe eny Ambohidratrimo teo amin’ny PK 13+700. Nifandona tao anaty fiolahana ny Scooter iray sy “camion” Voalaza fa samy nandeha mafy. Ny iray ho aty Andrenivohitra ary ilay moto hiakandrefana. Naratra mafy ilay nitondra moto ary tsy maintsy nampidirina hopitaly.

#   Andohoranofotsy. Fiara roa nifandona. Nifandona ny fiara roa, ny iray 4X4 ary ny faharoa 405 Peugeot teny amin’ny kaominina Bongatsara. Vokany, olona roa no naratra. Ny mpamily ilay 405 sy olona iray niantsena teny an-toerana. Voalaza fa samy nandeha mafy ireto fiara ireto. Fivarotana  roa no voadona tamin’izany.

Nangonin’i r.s.

Share This Post