Moramanga : Mpangalatr’omby tratra am-pandrasana hena



Jacaranda

Tratran’ny polisim-pirenena am-bodiomby teo am-pandrasana ny hena ireo mpangalatr’omby  roalahy niaraka tamin’ireo fitaovana nentina nanatanterahana ny asa ratsiny,  toy ny biskileta sy ny karazana antsy. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olon-tsotra,  tao Mahazina fokontany iray ao Befotsy kaominin’Ambohibary 08km miala an’i Moramanga no toerana nahaverezany, ary tany Moramanga no nahatrarana azy ireo. Efa talohan’ny fetin’ny Noely no  nahita olona nihaodihaody ny teo an-tanàna ka nahamahana  ny rehetra tamin’ny fihetsiny ka nanao fiambenana ry zareo no sady efa nampilaza ny mpitandro  filaminana. Tsy nisy zava-nitranga anefa ary dia nihevitra ny mponina fa efa mba natahotra ireto jiolahy; kanjo tao anatin’ny torimaso tanteraka ny olona ny alin’ny 29 desambra no namoahany azy ary navoakany soa aman-tsara teo amin’ny vavahady ny omby. Tsy nisalasala ny nanana ny very fa avy hatrany dia nanao ny fikarohana. Efa eo am-pelatànan’ny polisim-pirenena ny fanohizana ny fanadihadiana.

Cathy

Share This Post