Seranan’Ivato : Mpiasa voatsatoka antsy teo amin’ny lohany

Ny alatsinainy maraina, nitangorona ny olona teny amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodifasina eny Ambatolampy Tsimahafotsy nahitana fatin-dehilahy iray teo amoron-dàlana. Nihoson-drà ilay izy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa olona niasa tao amin’ny ADEMA Ivato izy io. Niala maraina be tamin’ny 4 ora tany an-tranony izy tamin’io andro io. Rehefa nojerena akaiky dia nisy dian’antsy tamin’ny faritry ny lohany, teo amin’ny sofiny. Nipetraka tsy lavitra ny toerana nahitana ny fatiny izy. Nampandrenesina ny havany. Tamin’izany ihany koa no nahalalana fa nitondra bisikileta izy tamin’ny fotoana nialany ny tranony. Tsy hita intsony anefa io bisikileta io. Nieritreritra ny rehetra fa ny hangalarana an’ilay fitaovana no antony namonoana azy. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao hahafantarana ny tena marina amin’ity voanoan’olona ity.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication