Ambohimanarina : Lehilahy lehibe maty novonoin’ny jiolahy tao an-tranony



Jacaranda

Nitrangana fanafihan-jiolahy teny Ambaravarankazo – Ambohimanarina ny alin’ny 31 desambra. Tokantrano iray izay mpiompy vorona no notafihan’ny andian’olona vitsivitsy. Raha ny fantatra dia mpivady efa lehibe no mipetraka ao amin’ity tokantrano ity. Tamin’io alin’ny 31 desambra io dia nizara roa izy mivady, ka ny iray tany amin’ny efitra ilany nisy ny vorona sasany no natory, ary ilay rangahy kosa tao amin’ny efitra fatorian’izy ireo. Tao amin’io nisy an-drangahy io no nidiran’ireo mpangalatra ka novonoiny tao ilay rangahy lehibe 78 taona. Raha ny fahitan’ny fianakaviany azy, dia nakapoka tamin’ny sisin’ny fandriana ny lohany, ary rehefa maty dia nofonosin’ireo olon-dratsy tanaty bodofotsy ny razana ary nampatoriany teo am-pandriana. Vola 3 tapitrisa no voalaza fa lasan’ireo mpangalatra, niampy entana sy fanaka vitsivitsy tao an-trano. voalazan’ny fianakaviany fa olona tsy dia lavitra eo an-tanàna ihany no ahiana ho nahavanona ny loza, ka nanararaotra ny olona variana tamin’ny fety izy ireo mba hanaovana ny asa ratsiny. Ny polisy eny an-toerana no mandray an-tànana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

A.R.

Share This Post