Maevatanana : Jiolahy notapahin-doha teo imason’ny sipany



Jacaranda

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny distrikan’i Maevatanàna ny alahady teo. Lehilahy iray voalaza ho jiolahy nikoizana sy nampitondra faisana ny mponina any amin’iny faritra iny no tra-tehaka ka notapahin’ny fokonolona avy hatrany ny lohany ary tsy nananana antra na kely akory aza. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia teo anatrehan’ny olon-tiany no nanatontosana an’izany famonoana izany. Mahakasika ny herisetra sy vonoan’olona hatrany dia fantatra kao fa nisy lehilahy iray 41 taona avy namonjy alim-pandihizana no maty tsy tra-drano voakapa famaky tao Antsondoka, fokontanin’Ambinanikely, kaominina ambanivohitr’i Mangabe ny 1 janoary teo, tokony ho tamin’ny telo ora maraina. Efa natolotra ny fianakaviany ny razana, taorian’ny fizahana natao. Ny zandary no mandray an-tànana ny fanadihadiana.

Nangonin’i Manitrisa

Share This Post