Espalanade Analakely : Lehilahy maty nitambotsotra tsy lavitra ny gabone



Jacaranda

Tsy fantatra marina hatramin’izao ny nahazo an’ity lehilahy. Tsy naharitra ela dia tapitra ny ainyfaty-1

Omaly tokony ho tamin’ny 8 ora tany ho any, gaga avokoa ny olona teny amin’ny Espanade Analakely nahita ity lehilahy iray nitambotsotra teo am-pitsanganana. Araka ny vaovao re teny an-toerana dia nijanona tampoka ny fony. Olona tokony ho eo amin’ny 53 taona eo ity namoy ny ainy ity. Ny loharnaom-baovao no nahalalana fa miasa irakiraka ao amin’ny paositra Analakely rangahy io. Tamin’io ora io, nivoaka hanary fako teo amin’ny toerana voatokana ho amin’izany izy. Rehefa very ny fako dia ohatra ny namonjy trano fivoahana izy. Toa tsy tonga tany akory anefa dia io nianjera tamin’ny tany io. Tsy vitan’izany fa mando be ny pataloa nanaovany. Nitangorona ny olona satria fotoana maro mpandalo iny toerana iny. Nisy ny niantso avy hatrany ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana raha vao niseho ity loza ity. Rehefa teny an-toerana anefa ry zareo dia efa tsy nisy azo natao tamin’ilay lehilahy intsony. Nampandrenesina ihany koa ny BMH haka ny razana. Na dia efa tamin’ny 11 ora aza anefa dia tsy mbola tonga ry zareo. Teo anelanelan’izay fotoana izay efa nisy nilaza tany amin’ny fiankavian’ilay rangahy, izay nipetraka teny amin’ny 67 Ha. Tonga teny izy ireo ary nentin’izy ireo nody ny fatin’ny havany.

r.s.

Share This Post