Ambohimanarina : Folo lahy nandroba fivarotana, lasa ny vola sy ny entana



Jacaranda

Jiolahy  folo eo ho eo no tonga nandroba tao amin’ny fivarotana iray teny Antanety Ambohimanarina ny marainan’ny alakamisy  tamin’ny 1 ora tany ho any. Ao ambany rihana no misy ilay tsena ary any ambony ny tompony no matory. Efa fantatr’reo jiolahy mialoha angamba izany zavatra izany ka tonga dia tao ami’ilay fivarotana ry zalahy no nandeha. Tsy fantatra koa na tena natory be ireo tompon-trano na ahoana fa nopitsohany ny varavarana ary teo izy ireo no niditra. Nalainy avokoa ny vola rehetra hitany tao izay voalaza fa nisy hatrany amin’ny iray hetsy ariary mahery tany. Nahoriny koa entana azony nalaina. Tamin’izay fotoana izay vao nahare ny zava nisy ny tompon-trano ka taitra. Niezaka nidina ry zareo. Fantatr’ireo mpangalatra izany ka tonga dia lasa nandeha izy ireo. Ny entana rahateo efa azony avokoa. Izay vao nahatsikaritra ny zavatra niseho ireo tao an-trano. Nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Tsy ela dia tonga ireo. Narahana sy nenjehana ireo jiolahy. Tsy nisy tratra intsony anefa fa efa lasa lavitra. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity famakiana tsena ity amin’izao fotoana izao.

r.s.

Share This Post