Behoririka : Lehilahy maty voadonan’ny fiara, vaky ny lohany, tapaka ny tànany



Jacaranda

Na dia mitandrina mafy aza ny mpamily, tery loatra ny làlana ary maro ny olona ka dia tsy azo nosorohana ny loza

Nisehoana lozam-pifamoivoizana, omaly teny Behoririka amin’ny làlana avy any Soarano iny. Lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 28 taona no fantatra fa maty voadonan’ny fiara. Ny loharanom-baovao no nahalalàna fa toa tsy hitan’ilay mpamily ny fiara “camionette” mihitsy ity olona ity tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Maro ny olona mpampiasa an’iny làlana iny, izay hita fa tena tery tokoa bahanan’ireo mpivarotra marobe. Tsy nisy nanampo ny loza. Ilay lehilahy efa naratra be no hitan’ny olona. Nitangorona ireo mpiantsena marobe nizaha ny zavanisy. Nijininika ny rà. Ny nahamaika ny rehetra dia ny nitondra an’ilay maratra tany amin’ny hopitaly. Noho ireo ratra nahazo azy anefa, vao tonga fotoana fohy tany izy dia tsy tana ny ainy. Mbola tsy fantatra moa izay havany ary tsy mbola nisy olona tonga nizaha ny razana omaly tany amin’ny tranompaty Ampefiloha. Rehefa hoavy tokoa ny loza dia tsy azo ihodivirana mihitsy koa na dia mandeha mora aza ny fiara, noho ny fahamaroan’ny olona dia tonga ihany ny patsa iray tsy omby vava.

r.s.

Share This Post