Ambohipo : Lehilahy maty nianjera avy eny ambony esafôdazy



Jacaranda

Lehilahy iray tokony ho 40 taona no maty nianjera avy eny ambony esafôdazy, teny Ambohipo, afakomaly tokony ho tamin’ny 4 tolakandro. Araka ny fanazavana azo dia mpanamboatra trano ity lehilahy ity. Raha teo am-panaovana ny asany indrindra izy, teny ambonin’ilay trano, no fantatra fa nisy tapaka ny fanamafisana ilay esafôdazy. Nianjera avy eny ambony eny ralehilahy ary nitontona tety ambany. Somary avo ihany anefa io nianjerany io raha ny fantatra, satria eo amin’ny 10 metatra miala ny tany. Ny lohany no nandeha aloha nitsatoka tamin’ny tany tamin’io ka teo no tena nahavoamafy azy, torana tsy nahatsiaro tena mihitsy. Taitra ireo mpiara-miasa aminy nahita izany ary nikoropaka haingana namonjy sy nitondra azy haingana namonjy hopitaly. Fotoana fohy fotsiny anefa no nitsaboana azy teny dia tapitra ny ainy. Nafindra tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny razana ary omaly maraina no tonga naka izany teny ny fianakaviany.

R.S.

Share This Post