Moramanga : Vazaha hita fay tao an-tranony



Jacaranda

Lehilahy iray teratany alemà no hita faty tao amin’ny efitrano fatoriany ny talata  lasa teo, tany Moramanga. Tamin’ny fizahana ifotony nataon’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa maty novonoina ity vazaha ity, nokendaina sy  notsatohana antsy teo amin’ny lohany. Gaga ny filoham-pokontany tao an-toerana, raha nahatsikaritra ny trano fonenan’ity teratany vahiny ity mbola tsy nivoha foana. Nanana ahiahy noho izany ireto farany ka nampandre avy hatrany ny mpitandro  filaminana. Nidina nijery ifotony tany amin’ilay trano ireto farany ka akory ny hatairan’ny rehetra fa ny fatin’ilay vazaha no novantanin’izy ireo tao amin’ny efitrano fatoriany tao. Tombanana ho ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nanatanterahan’ireo tsy mataho-tody ity asa ratsiny ity. Araka ny fanampim-panazavana, manambady vehivavy gasy ity teratany vahiny ity ary any Moramanga izy ireo no mipetraka. Ity rangahy ity irery anefa no hita faty tao an-tranony nandritra. Mety ho ny hamono ity vazaha ity fotsiny koa no tena anton-dian’ireo olon-dratsy, satria tsy naka zavatra hafa tao an-trano izy ireo. Tsy nisy nahita rahateo ny zava- nitranga. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro  filaminana ny raharaha ka efa mandeha ny famotorana sy fikarohana ireo olon-dratsy.

r.s.

Share This Post