Ambodin’Isotry : Ramatoa notafihan’ny jiolahy, lasa ny vola rehetra



Jacaranda

Ny alin’ny alahady teo, notafihana andian-jiolahy ny trano iray teny Ambodin’Isotry. Misy rihana ilay trano. Voalaza fa nirongo basy ireo mpanafika ary efatra ny isany. Nopotehany ny varavarana tany ambany rihana ary niditra avy hatrany izy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalàna fa ao ambany rihana ny ramatoa lehibe iray no matory. Niditra tao ireo jiolahy. Nambanany basy ilay vehivavy ary nasainy nanome azy ny vola rehetra tao. Noho ny tahotra, tsy maintsy nanome an-dry zalahy izany ilay vehivavy. Tsy fantatra marina ny vola lasa tamin’izay fa maherin’ny roa tapitrisa. Tsy nihonona tamin’izany anefa ireo mpangalatra fa nalainy ihany koa ny telefonina. Rehefa azon-dry zalahy izany dia nikasa hiakatra tany amin’ny rihana ambony ireo jiolahy. Mpianakavy daholo ireo mipetraka ao amin’ilay trano ary voalaza fa zanak’ilay vehivavy ireo ao ambony. Efa nahare ny korontana tao ambany anefa ny zanak’ilay ramatoa ary samy nisahotaka. Henon’ireo mpandroba fa taitra izy ireo ka tsy sahy nendaha niakatra indray izy ireo. Toa nionona tamin’izay azony tao amin’ilay vehivavy ry zalahy ary tonga dia lasa nandeha niala ny toerana. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Tsy ela dia tonga izy ireo. Efa lasa anefa ireo mpangalatra ka tsy nisy voasambotra na iray aza. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

Share This Post