Ambohimanarina : Dimy lahy nanafika « grossiste », lasa ny vola rehetra



Jacaranda

Fanafihana maromaro no niseho teny an-toerana omaly hariva araka ny vaovao re teny an-toerana. Dimy raha ny resaka fantatra. Nirefotra ny basy.

Omaly hariva tamin’ny 7 ora tany ho any, mpivarotra ambongadiny iray no notafihan’ny jiolahy tao ambadiky ny tsena Ambohimanarina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa dimy ireto mpandroba ireto ary samy nitondra basy avokoa. Ilay tsena mbola tsy nihidy tamin’io ora voalaza io. Ny fitantaran’ireo izay nahita no nahalalana fa ny telo no niditra tao amin’ilay fivarotana fa ny roa niandry taty ivelany. Tsy nanampo na inona na inona ny tompon’ny tsena. Vehivavy iray no tao fa ny vadiny voalaza fa mbola tany ambony rihana. Nambanan’ireo telolahy basy izy ary nitakiany vola. Toa tsy nety nanaraka ny baikony avy hatrany anefa ilay ramatoa ka nasian’ireo mpandroba totohondry teny amin’ny tarehany. Taorian’izany vao afaka naka ny vola rehetra maty omaly tontolo andro ireo jiolahy. Raha vao azony izany dia lasa nandeha izy ireo. Tamin’izay fotoana izay no nirefotra indray mandeha ny basy. Nisahotaka ny rehetra ary samy nihazakazaka nandositra avokoa.

Ny voavoa re teny an-toerana hatrany no nahalalana fa nanararaotra izany fisavorotahana izany ry zalahy ary dia mba nisy koa ny ohatra ny nandositra niaraka tamin’ny olona marobe. Nisy koa ny nilaza fa ny roa tamin’izy ireo dia nandeha nilamina nibaby sakaosy. Teo ihany koa ireo nahita fa ireny basy mahery vaika “fusil à pompe” ireny no teny amin’ireo roalahy niandry tany ivelany. Ny an’ireo tao an-trano moa, araka ny filazan’ny voatafika, dia basy kely no teny aminy.

r.s.

Share This Post