Isotry : Mpiambina tsena hita faty omaly maraina



Jacaranda

Omaly maraina be no nahitan’ny olona lehilahy iray nivalampatra tsy lavitra ny tsenan’Isotry.  Olona handeha hamoa fivarotana no nahita azy io. Nahafantatra azy ary niezaka ny namoha. Tsy nihetsika intsony anefa ilay izy. Rehefa nojerena akiaky, hay efa tsy nisy aina intsony. Nitangorona ny olona ary dia nahafantatra an’ity lehilahy maty ity avokoa. Mpiambina tsena eny an-toerana izy fahavelony. Ralita no fiantsoan’ny maro azy. Ao izy no matory. Tsy nisy ratra hita mivantana tamin’ny tenany. Nantsoina ny avy ao amin’ny BMH nitondra ny razana tany amin’ny tranom-paty HJRA. Voalazan’ny vaovao fa tsy manana havana ity namoy ny ainy ity. Omaly hariva dia tonga nanatitra lamba hamonosana azy ny fokonolona avy eny Isotry

r.s.

Share This Post