Sandravinany : Nitsoaka ny sambo mpitondra « bois de rose »



Jacaranda

Tratra teo am-pamatrarana hazo sarobidy tao anaty sambo lehibe iray ireo olona tao anaty sambo kely roa. Tany Sandravinany, any amin’ny faritra Atsimo-atsinanana no nitrangan’izany ny talata teo. Henon’ny mpitandro ny filaminana ny momba ity raharaha ity ka tonga izy ireo nanamarina, niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny faritra. Inona tokoa fa tena nitombina ny ahiahy. Saingy ny olana dia rifatra avy hatrany ny sambobe raha vao nahita ny fiavian’izy ireo. Tsy nisy na inona na inona azo natao fa dia nojerem-potsiny ny fialany. Mazava ho azy fa ny tsy fahampian’ny fitaovana no anton’izany. Notazomina ireo olona tao anatin’ny sambokely saingy navotsotra ihany nony avy eo satria tsy hita izay vesatra hitazomana azy. Ny antony dia mpitatitra fotsiny ihany izy ireo, izany hoe mikarama. Nataon’ny olona any an-toerana fiarovan-tena ny hoe efa ao anaty andavanandrony sy ny kolontsainy ny fanapahana andramena. Mainka koa izany nanasarotra ny fanadihadiana. Lasa nitsoaka ny sambobe, andramena 300 isa kosa, izay tsy tafiakatra tao no nogiazan’ny tompon’andraiki-panjakana.

D.R

Share This Post