Ankaraobato : Lasan’ny jiolahy ny 9 tapitrisa Ar, voadaroka ny tompon’ny trano



Jacaranda

Omaly alina, tonga nanafika teny amin’ny faritra Ankaraobato ny jiolahy nirongo basy. Vokany, voadaroka ny tompon’ny trano, lasan’ny mpandroba ny vola mitentina hatrany amin’ny 9 tapitrisa ariary, vola izay nolazain’ny voatafika fa vidin’ny fiara vao avy namidiny. Nosokirin’ireo mpangalatra ny hidin’ny trano. Tafiditra izy ireo dia ankizy iray no nentiny nambanana basy teo amin’ny tendany. Raha vao nahita izany ilay raim-pianakaviana dia nilefitra. Nangatahan’ireo jiolahy ny vola. Nilaza anefa ilay lehilahy fa vola 1 000 ariary no ao an-trano. Nonomboka teo ny fidarohana. Farany, ilay ankizy no nampiova hevitra ilay lehilahy tao an-trano ary namoaka ny vola nafenina tao ambany tapis izy. Ohatra ny fanafihana rehetra, raha vao nahazo izany ireo mpandroba dia lasa nandeha. Ny mahavariana anefa dia ny nalalany fa misy an’io vola io tao amin’ilay trano. Ny vaovao re tetsy sy teroa no nahafahana milaza fa toa misy hatrany ny mpanone vaovao ireo “jiolahy” atao anaty farango sosona. Toa mahalasa eritreritra ny rehetra hatrany anefa ny hahafantaran’ny mpandroba izay toerana misy vola.

r.s.

Share This Post