Miaramila 350, manao fiofanana any Antsiranana



Jacaranda

Atao eto Antsiranana hanomboka ny alatsinainy izao ny fiofanana hoan’ireo mpianatra avy ao amin’ny « Centre d’activité de l’academie millitaire d’Antsirabe ». Misy 350 ireto miaramila tonga eto Antsiranana ireto, 18 amin’izy ireo no vehivavy, ahitana ireo avy amin’ny « Eleve officier d’Activité dia ny 35e, 36e 37e  promotion, ny 20e promotion Peloton de Formation Millitaire de Cadre Spécialisé », ny 18e PIA ary ny ampahany amin’ireo bataillon des opérations et de service. Haharitra iray volana sy tapany ity fiofanana ataon’ireo miaramila ireo eto Antsiranana. Ho fanampiana azy ireo ary dia nanolotra omby iray matavy sy vary ny fianakaviamben’ny zandary eto Antsiranana. Col Andriamanarina Jean Christophe, CIRGEN no nanolotra izany tamin’ny anaran’ny zandary rehetra eo ambany fiadidiany. Fisaorana ny fihetsika nataon’ireo zandary eto Antsiranana no nasetrin’ny Col Randrianimady Joseph Daniel, Chef de service des études et de la formation avy ao amin’ny sekoly miaramila ao Antsirabe.

Share This Post