Fanafihana tetsy Analamahitsy : Basy fanairana no nampiasain’ireo jiolahy



Jacaranda

Nirefodrefotra ny basy saingy tsy nahitàna taim-bala na ny iray aza. Nazava avy hatrany teo fa basy fanairana na “pistolet d’alarme” no nampiasain’ireo olon-dratsy. Midika avy hatrany izany fa nentina nampitahorana ireo mpivarotra efatra karazana fotsiny ireo fitaovana, fitaovam-piadiana fanairana na koa fampiasa amin’ny fampahafantarana fanombohana amin’ireny fifaninanana hazakazaka ireny. Toe-javatra izay mateti-pitranga ihany izany satria raha tsiahivina ihany koa dia karazam-pitaovana toy ireny no nampiasain’ny jiolahy tetsy Ankadifotsy, tamin’ny taon-dasa nandritra ny fanafihana mpivarotra vato sarobidy iray teo an-toerana. Mirefotra toy ny basy rehetra ihany ny “pistolet d’alarme” ary mamoaka tselat’afo, hany ka vetitety dia mampihorohoro ireo hotafihana. Raha tsiahivina dia hatramin’ireo mpanao vary mitsangana no isan’ny voaroba tamin’ity asan-jiolahy ity. Vola mitentina 2.000 ariary no lasan’ireo tamin’izany. Ny tamin’ireo mpivarotra hafa kosa dia ireo vola maty nandritra ny andro iray, izay mbola tsy voafaritra mazava hatreto, no nalain’ireo olon-dratsy mitovy. Marobe ny pôlisy tonga teny an-toerana ary isan’ny tonga teny ihany koa ireo mpiambina avy amin’ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsy nisy hita aloha hatreto ireo jiolahy na teo aza ny fiezahana nanao ny fisafoana isan-karazany. Ny nisongadina dia ny tsy fahitàna ireo taim-bala ka nanamarinana fa basy fanairana no nampiasaina. Ankoatra ireo basy tena izy izay miparitaka etsy sy eroa dia hita fa lasa mora ny fahazoana ireo fitaovam-piadiana tsy mila alàlana, isan’izany ireo mamoaka herinaratra izay mety hitarika amin’ny fahafatesana “teaser” ary koa ireo basy fanairana. Miditra amin’ny tambajotran-tserasera fotsiny dia afaka mividy izany ary tsy misy fanaraha-maso avy amin’ny fanjakana. Ny olana dia raha sanatria jiolahy no tafiditra ao dia mazava ho azy fa izy ireo indray no hividy ireo fitaovana….

D.R

Share This Post