Maevatanana : Lehilahy iray nahatratrarana« Kalach » niampy bala valo



Jacaranda

Miparitaka ny basy amin’izao na ny vita gasy izany na ny tena izy. Ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, tany Maevatanàna, dia lehilahy 32 taona tratra nitondra basy maherivaika « Kalachnikov » tao anaty entany mampihaihay nosamborin’ny zandary teny an-tsena. Rehefa nanatona ny mpitandro filaminana dia lasa nitsoaka ity lehilahy ity ka nifanenjehana eran’ny tanàna. Tamin’ny fisavana ny entany no nahitana ity basy AKM, izay tsy nisy vodiny intsony, niaraka tamina bala « Kalach » valo niampy « pince coupante » iray, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mazava ho azy fa tazonina atao fanadihadiana ity lehilahy voasambotra ity.

Manitrisa

Share This Post