Kortezy etsy sy eroa : Nisy maty nisy naratra omaly



Jacaranda

Omaly angamba, tamin’ny tantaran’ny firenena, no be kortezy indrindra nifamezivezy teto an-drenivohitra. Tsy kortezy mariazy akory fa kortezin’ireo manam-pahefana isan-karazany sy ny vahiny manan-kaja maro. Mazava ho azy fa nifandraika tamin’ny famindrana ny lakilen’ny lapa tesy Iavoloha izany. Nifanaretsaka eran’ny tanàna ny kortezy avy atsy sy avy aroa. Ankoatra ny fahafatesan’ny zaza iray tetsy Ankadindratombo (jereo lahatsoratra etsy ankila) dia nisy ihany koa ny naratra tetsy Andavamamba. Nandalo ny bemoto ary nampaneno kiririoka faran’izay mafy. Taitra ny olona teo anoloany ary vokatr’izany dia niala faran’izay haingana, tao anatin’ny tebiteby, hany ka tsy nahafety intsony ny fitondrana ny moto nentiny, ary nifatratra tany amin’ny taxibe. Roa ny naratra vokatr’izany ka fantatra fa teratany komoriana ny iray. Mandeha mafy ny kortezy mazava loatra fa izay ny asany. Saingy rehefa be loatra kosa izy ireo satria tsy manam-pahefana iray na roa no notaterina, dia tokony mba hipetraka amin’izay ny lalànan’ny fifamoivoizana. Lasa mitovy amin’ny tany tsy misy fanjakana indray mantsy raha toa ka samy manampatra ny fahefany avokoa ireo fiara mainty be mandeha mafy. Lesona azo tsoahina ho amin’ny anio avy hatrany ireny nitranga omaly ireny ka tokony hampitandrina ireo karazana kortezy izay mazava fa hifamezivezy eto amin’ny tanàna satria hitatitra ireo manam-kaja sy manam-pahefana ao Mahamasina. Sanatria ve fanjakana vao manomboka ity dia fahafatesana sy ratra avy hatrany no hanamarika azy, noho ny tsy fandeferana kely foana?

D.R

Share This Post