Nosy Be : Olona efatra natelin’ny ranomasina

Jacaranda

Nanomboka ny asabotsy teo , no tsy nahitana ireo mpamintana efatra mirahalahy , raha nandeha nihaza. Ratsy be ny andro tamin’io ary tsy fantatra ny toerana nanitrihan’ny rano azy ireo hatramin’izao. Avy tao Mahasindra ny iray amin’ireo olona nitondra lakana ireo , ka olona telo no ao anatiny, ny lakana iray izay misy olona iray avy tao Sakatia. Sahirana ny mponina any Nosy Hell ville amin’izao mitsakaraka ireo olona ireo. Ny toetrandro ity tena ratsy, ka tsy fantatra ny toerana hanarahana azy ireo. Ny lakana fahatelo izay misy olona telo dia hita any Ambinanibe andrefana aty Ambanja. Na dia eo aza ny filazana ny toetran’andro atao isan’andro dia mbola misy ihany ny manao tsirambina izay. Miantso ny mpitondra fanjakana ny fianakavian’izy ireo mba hanampy amin’ny fitadiavana. Hatramin’izao tsy misy olona mahafantatra na maty na velona izy efatra sisa tavela ireo.

V.JCL

Blueline Air Fiber

Share This Post