Andohoranofotsy- Olona nivarotra fiara voaroba : Lasa ny vola 16 tapitrisa ariary vidina fiara

Jacaranda

Ny harivan’ny alahady tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, notafihan’olona maromaro ny trano iray teny Bongatsara Andohoranofotsy. Vokany, lasan’ireo ny vola mitentina hatrany amin’ny 16 tapitrisa ariary mahery vidina fiara vao avy novarotana. Nisy entana sarobidy maro ihany koa nentin’ireo mpandroba.

Tamin’io ora voalaza etsy ambony io, tsy mbola nihidy ny tranon’ireo voatafika. Ilay raim-pianakaviana ihany koa va tonga niditra ny vavahady. Avy hatrany dia voaambana basy izy io ary tsy afaka nihetsika intsony. Rehefa izany nofatoran’ireo olon-dratsy izy ary notapenany “scotch” ny vavany. Izany dia mba tsy hahafahany hiantso vonjeo. Rehefa izany, niditra ny trano izy ireo ary niakatra tany ambony rihana. Notereny ilay ramatoa tompon’ny trano hamoaka ny vola. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa vao avy nivarotra fiara ity fianakaviana ity. Tsy maintsy nomena azy ny vola rehetra ilay vehivavy. Ny loharanom-baovoa hatrany no nahafantarana fa nanao fanamiana mpitandro filaminana ireto mpandroba ireto tamin’io hariva io. Tsy fantatra ihany koa izay nahalalan’ny mpandroba ny fisian’io volabe io.

Efa nampandrenesina ny zandary eny an-toerana ary misokatra ny fahadihadiana.

r.s.

Blueline Air Fiber

Share This Post