Efa misy olona valo nohenoina



Jacaranda

Loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana no nahafantarana omaly fa efa misy olona valo nohenoina tao anatin’izay andro vitsivitsy izay, momba ny fanapoahana grenady tetsy Anosikely. Etsy amin’ny tobin’ny zandary etsy Betongolo no mandeha ny fanadihadiana. Raha ny tsilian-tsofina re dia olona akaiky ny kandida iray ho filoham-pirenena ireo olona nohenoina ireo. Tsy voatery hoe tompon’andraikitra anefa ny olona raha henoina fa mety hoe vavolombelona na koa mety manana vaovao mahakasika ny zava-nitranga. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ity raharaha izay mbola mitàna ny sain’ny maro ity.

D.R

Share This Post