Ankadifotsy : Mpivaron-kena voatafika



Jacaranda

Efa teo am-piomanana hanidy tsena ny mpivaron-kena iray tetsy Ankadifotsy-Befelatanana no tonga tampoka ny jiolahy roa mitam-basy. Tsy nisy resaka fa ny fihetsika fotsiny dia efa nanambara ny tanjon’ireo. Nambanana basy ny mpivaron-kena ary nasaina namoaka ny vola tao anaty “caisse”. Raha ny fanazavana azo momba ity tranga ity dia mitentina 400.000 ariary ny lasa tao. Vola maty indray andro izy io raha araka ny fantatra hatrany. Nisy vehivavy iray izay mbola nividy ihany koa teo an-toerana tamin’io fotoanan io. Mbola lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny vola saika hividianany hena. Izany rehetra izany dia tao anatin’ny haizina avokoa no nitranga. Tsy nandeha mantsy ny andrin-jiro teo an-toerana hany ka nanamora ny asan’ireo olon-dratsy izany. Poa toa izay izy ireo dia nanjavona tany anaty elakelan-trano tany. Tsy nisy na inona na inona azo natao ankoatry ny nampandre ny mpitandro ny filaminana dia nametraka ny fitoriana. Raha ny fanazavan’ny olona dia saika isan’andro no misy ny hala-botry sy ny fanafihana eny amin’iny manodidina iny. Ny tena hitan’izy ireo fa mampirongatra an’izany tato ho ato dia ny haizina vokatry ny tsy fandehanan’ny jiro amin’ny andrin-jiro. Miverina mahazo vahana ihany koa ny fanendahana vokatr’izany antony izany. Lasa faritra mena Ankadifotsy-Befelatanana, toerana izay maro olona mifamezivezy anefa. Saingy toa tsy misy mifampijery intsony na mifanavotra, eo ihany ny fisian’ny basy ampiasain’ny mpanafika indraindray, fa toa lasa olana ho an’ny olona ny manavotra ny hafa ankehitriny…

D.R

Share This Post