Foulpointe : Fihinanana antantsa, 1 maty ary am-polony naiditra hopitaly



Jacaranda

Tao Antaratasy no nitrangana faharariana vokatry ny fihinana antsantsa. olona 5 no voalaza fa narary tamin’ izany ka isan’izany ny rangahy 60 taona sy ny zanany iray ary vehivavy sy zanany 2 hafa koa. Marihina fa ireo izay nihinana ny lohany sy ny taovany ireto narary ireto. Ny roa volohany moa dia notsaboina  tao amin’ ny hopitaly be ao Toamasina, ny ramatoa sy ny zanany roa kosa dia ao am’n’ ny hopitaly ao Mahavelona ihany no tsaboina. Vaovao voaray farany sy marim-pototra no nahafantarana fa nodimandry ilay lehilahy enimpolo taona, sady nitombo am-polony ihany koa ireo narary.

Efa tranga miverimberina tokoa raha ny fahafatesana sy ny faharariana aterak’ itony fihinanana hazan-dranomasina itony koa anentanan’ ireo tompon’ andraikitra any an-toerana ny mponina tsy hividy ny henan’ antsantsa aloha amin’ izao.

ALEM

Share This Post