Antsirabe II : Lehilahy iray maty norasarasaina antsy

Tamin’ny fomba feno habibiana no namonon’ireo jiolahy ilay mpivarotra omby tao amin’ny kaomina Tsarahonenana Sahanivotry Antsirabe II. Ankeviny efa fantatr’ireo jiolahy ihany ny fandaharam-potoanan’ity raim-pianakaviana ity. Nandrasan’ireo jiolahy tamina toerana mangigina ity farany ,rehefa avy nandray ny vidin’ombiny. Lavitra ny  toeram-ponenany rahateo no nakana ny vola, ka mora tamin’ireo jiolahy no nanao velapandrika ny làlana nodiaviny. Voalaza araka ny loharanom-baovao fa nivarotra omby tamina mpivarokena ity rangahy maty ity. Tamin’ny fotoana nakany ny vola efa somary hariva ny andro, Nanindry mandry azy ihany ny zava-nitranga ka nomeny ny fianakaviany ny ankamaroan’ny vola vidin’omby fa 40.000 ariary ihany no nentiny. Inona tokoa,  jiolahy no nitsena azy tamina toerana mangingina alohan’ny nahatongavany tao Ambatomitety toeram-ponenany. Nendahan’ireo jiolahy avokoa ny fitafiany. Tsy nahita afa-tsy ilay vola nentiny anefa ireo jiolahy ka notaperiny ny ain’ity rangahy ity. Voalaza fa norasarasain’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy mihitsy ny vatany. Ny fiandohan’ny herinandro no nisehon’ity fanendahana sy vono olona ity. Araka ny fantatra dia efa nalain’ny fianakaviana ny razana ary efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication