Antsirabe : Nirefodrefotra ny basy lasa ny vola 12 6OO OOO ar



Jacaranda

Nafampana tokoa raha iny faritra Vakinankaratra iny tato ato, ny alin’ ny 14 febroary teo dia jiolahy fito no namaky fivarotana enta-madinika ambongadiny . Avy hatrany dia novakian’ ireto farany ny varavarana miditra ao an-tsena ka raha vao tafiditra izy ireo dia niditra tao amin’ ny efitra fatoriana misy ireto mpivarotra . Tsy naheno na inona na inona ireto tompon-trano fa ny olon-dratsy efa nanambana azy ireo vao taitra ny tao an-trano. Avy hatrany dia feom-basy nirefodrefotra no nanakoako eran’ ny tanàna, ny vola no nahamay ireto mpandroba ka dia vola 10 000 OOO ar sy kartosy na sigara maromaro, vita ny  tao amin’ ilay tsena mpampongady fa  tsy mbola nionona tamin’ izany anefa ireto mpanafika fa dia nandroba ihany koa ny teo amin’ ilay tokan- tranon’ olon-tsotra izay mifanakaiky amin’ ilay tsena voalohany. Vola avy hatrany no notakian ‘ireto jiolahy ka’nirifatra lasa nitsoaka ireto mpanafika rehefa nahazo, tsy afa-nihetsika ireto voatafika raha tsy efa lasa lavidavitra ireto olon-dratsy, tonga tany an-torena ny zandary ,saingy efa tsy nisy tratra tao intsony ireto  mpangalatra.Nahazoany vola 2 600 000 ar ihany koa io trano iray io, niaraka tamin’ ny fijerena vidéo sy décodeur na antenne parabolique iray.

Nisy ny fampiasan-kery tamin’ ilay tompon- tsena ka naratra tamin ‘ izany ny roalahy. Hita teny an-toerana tamin’ izany ny vodim-bala na kalach 7.62 miisa enina. Marihana fa efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ny tompon andraikitra eny an-toerana amin’ izao fotoana izao ary ny telo tamin’ ireo fito lahy nanafika no nitana izany basy kalachnikov izany .

ALEM

Share This Post