Antsirabe : Jiolahy niantso polisy !

Jacaranda

Hafakely ity zava-nitranga ity. Vao mangiran-dratsy, bandy efa-dahy no nifamaly sy nitabataba tao amina toerana iray mangingina tao amin’ny fokontany Ampatana-Antsirabe. Ny alarobia lasa  teo no nitrangan’ity fifamaliana ity. Teny ratsy variraraka no nanaitra ny mponina manodidina ka tonga nijery ny zava-nisy. Indreo izy efa-dahy, tsy nifanara-tsaina tamin’ny fizarana ny entana vao avy nangalarina. Raikitra ny rombo. Naratra mafy teo amin’ny masony ny iray, io no nandeha niantso polisy avy eo. Ireo ambiny kosa nandositra avy hatrany. Noraisim-potsiny tany amn’ny polisy anefa izy fa hay jiolahy efa tsy zoviana amin’ny mpitandro ny filaminana intsony ary efa notadiavina hatry ny ela. Mbola karohina kosa ny telo lahy.

Andry N.

Share This Post