Sainte-Famille Mahamasina : Nisy nametraka baomba teo amin’ny vavahady

Jacaranda

Manomboka izao dia hapoaka avokoa izay baomba hita mba ho fiarovana ny ain’ny olona sy ny mpitandro ny filaminana…

Vao maraina ,ny mpandalo sy ny mpihazakazaka no nahatsikaritra zavatra nosarontsaronana tao anaty baoritra sy “sachet”. Rehefa nozahana dia baomba vita gasy indray no hita tao. Nisy finday niraikitra tamin’ilay baomba. Midika izany fa baomba azo hapoaka avy amin’ny alàlan’ny baiko lavitra izy ity. Ny tena nampatahotra dia tsy mifanalavitra amin’ny ora fidiran’ny mpianatra no nahitana an’izany omaly. Ny fanapahankevitra noraisina dia nampidirina aloha ny mpianatra ary nohidina ny vavahady izay tsy dia lavitra teo no nametrahana an’ilay zava-doza. Tonga teny an-toerana ny zandary sy ny “corps de protection civile” ,izay manana manampahaizana manokana amin’ny fanajanonana ny fipoahan’ny baomba (démineur).  Tamin’ity indray mitoraka ity dia fepetra hafa mihitsy no notapahan’ny mpitandro ny filaminana : napoaka ilay baomba. “Manomboka izao dia hapoaka daholo izay baomba rehetra. Izany dia mba mba  ho fiarovana ny ain’ny mpitandro filaminana sy ny olona manodidina ihany koa” hoy ny Kolonely Florens Rakotomahanina, lehiben’ny zandary eto Analamanga. Nomarihany fa baomba dimy izay no hita nanomboka ny desambara lasa teo. “Mila mailo ny rehetra ary entanina hatrany mba tsy hanakaiky ny toerana misy ireny fa mampandre faran’izay haingana ny mpitandro ny filaminana kosa,” hoy ihany ity manamboninahitry ny zandary ity. Notapahina ny làlana ary olona marobe no liana ny nijery teny an-toerana. Toe-javatra izay tsy tokony hatao mihitsy, satria efa baomba izao mbola manintona ny olona ihany ny hijery azy. Baomba dimy ka grenady ny efatra tamin’ireo, no hita teto an-drenivohitra hatramin’ny faran’ny taona. Nahafaty olona ny sasany tamin’ireo. Midika izany fa efa mihoatra ny loha ny sangy, raha tena sangy tokoa, hataon’ireo mpampihorohoro. Izao indray koa dia ny mpianatra tsy manan-tsiny no kasaina hofofoina ny ainy. Mila mieritreritra ireo mpampihorohoro, satria tsy ao anatin’ny kolon-tsain’ny Malagasy izany. Maro ny endrika azo hampisehoana ny tsy fankatoavana hevitra iray ary efa demokrasia rahateo no lalaina amin’izao fotoana. Tsy vahaolana ny fandatsahan-drà…

D.R

Share This Post