Andranobevava : Jiolahy 4 saika hanafika sinoa voasambotry ny zandary



Jacaranda

Tsy fantatra marina ny ahalalan’ny jiolahy ny toerana misy vola horobain’izy ireo

Ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any, nisahotaka ireo olona marobe tonga hanala azy teny Andranobevava, etsy amin’ny Marais Masay. Raikitra mantsy ny fisamborana jiolahy nataon’ny mpitandro filaminana. Ny vaovao voaray no nahalalana fa nahazo filazana ny zandary fa misy andian-jiolahy mihaodihaody teny an-toerana. Tsy niandry ela ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nandeha teny an-toerana. Rehefa nojerena dia indreny nisy olona dimy nitondra moto Scooter nampiahiahy ireo zandary. Avy hatrany dia natao ny fisamborana azy ireo. Tamin’izay fotoana izay, voalaza fa tafaporitsaka lasa nandositra ny iray. Ireo efatra kosa tsy nisy afaka nihetsika. Voatazona araka izany koa ny moto nentiny. Dia mbola gaga daholo koa ny mpitsangantsangana, satria dia nasaina nihohoka tamin’ny tany ireo voalaza fa jiolahy. Ny vaovao hatrany moa no hilazana fa saika hanafika sinoa manana trano fivarotana eny an-toerana ireo mpandroba ireo. Ny amin’ilay tafatsoka indray, nahazo vaovao hatrany ireo mpitandro filaminana fa lasa any afovoan-tanàna, any Ambodimanga Analamahitsy any, ilay tafatsoaka. Ny alina manontolo, feno fiaran’ny mpitandro filaminana nivezivezy nanerana ny sakeli-dalana nikaroka azy io. Tsy mbola voasambotra anefa izy io.

r.s.

Share This Post