Antsirabe : Vono olona teny Ivohitra, voasambotra ilay nahavanon-doza



Jacaranda

Voasambotry ny zandarimaria eto Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo, ilay namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ilay raim-pianakaviana hita faty teny Ivohitra. Voasambotra niaraka tamin’ireo jiolahy fito mianadahy mpamaky trano ity nahavanon-doza ity. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny zandarimaria dia niaiky ny heloka vitany ity lehilahy voasambotra ity. Nambarany fa mamo ny tenany tamin’ny namonoany ity raim-pianakaviana ity. Voalaza araka ny fanazavana voaray hatrany fa resa-behivavy no antony nanaperany ny ain’ilay rangahy. Raha tsiahivina, ny 9 febroary lasa teo no nahitana ny fatin’ilay rangahy nifatotra teo am-body hazo teny Ivohira . Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namoana azy satria notapahina ny tendany, feno ratra avokoa ny vatany, ary novotsorana ny filahiany. Tsy niakanjo moa no nahitana azy tamin’izany fa niboridana tanteraka ny vatany iray manontolo. Ankoatra ny vono olona iampangana azy dia anisan’ny vesatra anenjehana azy koa izany ny resaka vaky trano.

Andry N.

Share This Post