Tapatapany



Jacaranda

#  Ankadifotsy. Lasan’ny jiolahy ny vola. Tamin’ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora, notafihan’ny jiolahy ny mpivarotra iray teny Ankadifotsy. Nitondra basy kalaky izy ireo. Tsy nahetsika ilay mpivarotra ary dia voatery nanome azy ny vola iray hetsy ariary.

#  Mandritsara. Vehivavy roa namonotena.  Noho ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny lafiny fitiavana dia fantatra fa vehivavy roa no samy namonotena tany Mandritsara. Nihinana poizina izy ireo. Avotra ny iray fa ny faharoa kosa namoy ny ainy.

#  Bois de rose. Sarotra ny fanadihadiana. Mananosarotra ny famotorana atao an’ireo teratany tanzaniana 13 tratra tamina trafikana « bois de rose ». Tsy mifandray mihitsy mantsy ny fitenenana fa adika indroa ny teny vao mifankahazo.

nangonin’i r.s.

Share This Post