Antalaha : Fanafihana mitam-piadina, olona iray maty, 380 tapitrisa Ar voaroba



Jacaranda

Tao amin’ny tokantrano iray, ny alin’ny faha-22 febroary lasa teo, no nisehoana fanafihana mitam-boadiana tao an-tampon-tanànan’Antalaha. Olona iray no maty tamin’ny fitifiranana nataon’ireto jiolahy ireto ary lasan’izy ireo koa ny lelavola mitentina 380 tapitrisa ariary. Nandositra ireo nahavanon-doza avy teo. Raha naheno ny vaovao ny zandary teto Sambava, fa nandositra any Antalaha izy ireo, dia nihetsika ny zandary notarihan’ny komandian’ny borigady Sambava ka nitondra andian-jandary vitsivitsy. Nosavan’izy ireo ny trano fandraisam-bahiny malaza eto an-toerana. Namokatra ny fikarohana ka tratra tamin’izany ny roa lahy, 23 taona sy 43 taona, izay nanonona ny naman’izy ireo, izay tratra ihany koa tao Antaimby, Sambava. Taorian’ny fisamborana dia nataon’ireo zandary ireo ny fanadihadiana ka nahatratrarana tamin’olona samihafa ny vola mitentina 32.362.200Ar. Ny polisy any Antalaha no nitondrana ity raharaha ity ka natolotra azy ireo ny talata lasa teo ihany koa ireo dahalo nahavanon-doza. Raha naheno ny vaovao momba ny fahasamborana ireo olona ireo ny niharam-boina sady tompom-bola dia tonga taty Sambava ary nambarany tamin’ireo zandary fa azy ireo vola ireo. Nalevina tao Antalaha ihany ilay maty.

REMi, Rakotonirina

Share This Post