Oniversité Barikadimy : Fitokonana noho ny jiro tapaka niafara tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso



Jacaranda

Ny alakamisy 26 febroary efa tamin’ny fito ora hariva no naparitaky ny  EMMOREG tany Toamasina, teny amin’ny oniversité Barikadimy, ireto mpianatra nanao fitokonana vokatry ny fahatapahan’ny jiro. Nanao ny fitakiana izy ireo mba hamerenana izany haingana, satria io no lazain’izy ireo fa fototry ny fianarana ary fitaovana tena ilaina hianarana sy handrahoana ny sakafo, ary indrindra ny mety ho tsy fahandriam-pahalemana afitsoky ny haizina. Somary niakatra moa ny mari-pana tamin’izany koa dia voatery nanaparitaka ireo mpitokona tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro ny filaminana.

Efa niverina amin’ny laoniny moa amin’izao fotoana izao ny toe-draharaha ka na ny jiro any an-toerana na ny fianarana dia samy efa mandeha ara-dalana avokoa .

ALEM

Share This Post