Andoharanofotsy : Fiara nahafaty olona, nitsoaka



Jacaranda

Lozam-pifamoivozana niseho ny asabotsy alina teo tetsy Ifarihy RN60 PK02+800, fiara tsy fantatra no nandona ity ramatoa dia lasa nandositra , tsy tena nisy nahita marina ny zava-nitranga , ny andro rahateo koa efa somary hariva ihany ,satria efa nanodidina ny tany amin’ny sivy ora alina tany ho any.Ny nanaitra ny olona  dia ny nahita ity ramatoa efa mivalampatra eo amin’ny arabe ka tohina avokoa ireo nahita ny razana izay vaky loha ary dia nipotsaka teo amin’ny arabe ny atidohany, tsy nisy ny fiala-nenina azo natao, fa dia nalefa eny amin’ny tranompaty eny amin’ny hopitaly HJRA ny razana tao aorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera sy ny zandary teny an-toerana. Ny tena nananosarotra dia  ny tsy fisian’ny taratasy nahafantarana azy teny amin’ity maty ,fa ny hany fantatra dia manodidina ny telopolo taona eo izy ity ary mirefy 1,50m ny halavany ary somary zarazara hoditra. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ny zandary eny an-toerana amin’izay mety hahafantarana ny fiara nahavanon-doza . Mbola hanentanana antsika mpamaky ihny koa amin’ny toe-javatra tahak’izao fa ilaina hatrany ny mitondra karatra na taratasy hahafantarana ny olona iray any aminy indrindra ny andro rahateo alina ka rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava tahak’izao. Tsy fantatra hoe iza na avy aiza, na ny fianakaviana akaiky ary dia mety ho tojo fahasahiranana raha sendra avy lavitra no fihaviana.

ALEM

Share This Post