Itasy : Nirefodrefotra ny basy lasa ny vola an-tapitrisany



Jacaranda

Tao amin’ny fokontany Morafeno ny zoma alina teo no nanafihan’ireto jiolahy maromaro tao amin’ity tokan-trano iray .Nanao  befiavy  ireto olon-dratsy ka ny tifi-danitra no nampihorohoroany ny  tao an-tanàna.Tsy nisy nahahetsika ny tao an-trano raha vao naheno ity feom-basy, avy hatrany dia niditra tao amin’ilay trano ireto mpanafika ka niteny no sady nitrerona hoe avoahy ny vola fa raha tsy izay dia maty. Mbola saika hihodinkodina ihany ny tao an-trano kanefa dia nampiasa hery tamin’ny fikasihan-tanàna ireto dahalo ,ka tsy afa-nanoatra fa dia namoaka ny vola 2 tapitrisa  ariary  tao am-bata.Vao nahazo ny vola notadiaviny kosa ireto jiolahy dia rifatra nandositra, niantso vonjy avy hatrany  ireto voatafika .

Tonga tany ireo zandary dimy niaraka tamin’ny mpandamina fifamoivizana roa sy ny fokonolona tao an-tanàna nanara-dia ireto olon-dratsy.Tsy tratra intsony anefa izy ireo fa tamin’ny fanadihadiana izay natao no nahitana vodim-bala fito 7,62mm ary koa nisamborana olona telo izay  nahiahina ho mpiray tendro amin’ireto dahalo, ka nampahafantatra azy ireo ny fisian’ny vola ao amin’ity tokan-trano voatafika ity, ireo naratra kosa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo avy.

ALEM

Share This Post