Oniversite Mahajanga : Dosie maromaro levon’ny afo



Jacaranda

Nisy firehetana nitranga tao anatin’ny fari-piadidian’ny oniversiten’i Mahajanga ny asabotsy alina teo. Raha araka ny fantatra dia tao amin’ny efitrano iray izay isan’ny misy dosien’ny mpianatra no nirehitra. Tsy mbola voamarina kosa na nisy nandoro izany na koa noho ny antony hafa. Raha ny fantatra dia ao anatin’ny fialan-tsasatra ankehitriny ny mpianatra eo anivon’ity oniversite ity.

Share This Post