Didy Ambatondrazaka : Mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana



Jacaranda

Saika miaina ao anatin’ny tebiteby  amin’izao fotoana izao ireo vahoaka ambanivolon’ny Didy. Mirongatra izay tsy izy mantsy ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo jiolahy. Tamin’ny 18 febroary  teo dia mpivarotra iray no notafihan’ireo jiolahy ka lasa ny volabe manodidina ny 3 150 000 Ar  ,voatifitra ihany koa ilay rangahy tompontrano , maty tsy tra-drano. Noho ny ezaky ny zandary tao Didy dia olona 9 mianadahy hatramin’izao no  voasambotra. Niaiky izy ireo fa  ry zareo no nahavanona ny asa ratsy, izay miendrika valifaty hoy ny fanazavana .Araka ny nambaran’ny ben’ny tananan i Didy Atoa Radoka Davidson  dia miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao ka miantso ny mpitondra mba hijery akaiky  azy ireo ,mananosarotra ihany koa ny làlana mampitohy an’i Didy sy Ambatondrazaka  hoy ny fanazavana, ka tokony mba hojerena ihany koa .Kaominina mamokatra raha ny kaominin’i Didy fa noho ny faharatsian’ny làlana  dia maro ireo vokatra tsy tafavoaka  amin’izao fotoana izao.

Janus R

Share This Post