Sambava : Olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana



Jacaranda

Ny alahady 2 martsa 2014 tamin’ny 05ora sy sasany tolakandro,eo avaratra kely tsy lavitra ny restaurant        Etoile Rouge no nahafatesan’olona roa : zaza iray 3taona izay napetraky ny renibeny amin’ny sisin-dàlana sy tovolahy 19 taona nitaingina bisikilety. Vokatry ny firimorimon’ny fiara nentin’olona avy nisotro toaka. Ny mponina vitsivitsy mipetraka manakaiky ny làlana nandalovan’ilay fiara ka nanontanianay ny fandehan’ny raharaha dia nanamarina fa efa nivilivily niankavia sy niankavanana ilay fiara nirimorimo avy avaratra nianatsimo. Tsy ireo olona roa ireo ihany no voa nodomin’ilay fiara fa mbola nandona poteau na jiron’ny jirama koa ilay izy ka efa nitselatselatra koa ny fil ny jirama. Voatery notapahin’ny jirama tanteraka aloha ny jiro rehetra teto an-tampon’tanàna manontolo mba hialana ny “court circuit”. Nivadika ambony ambany ilay fiara ka lasa ambony avokoa ny kodiarana ary potika ny lohany. Ny harivan’io alahady io ihany dia tratran’ny polisy teto Sambava ilay mpamily lasa nandositra. Ireo mponina ireo ihany dia nilaza fa misy olona maromaro tao anatin’ilay fiara namono olona ary nivoaka tamin’ny varavarana misy fitaratra izy ireo, rahefa lasa ilay mpamily. Rahefa vita ny fanadihadiana dia nentina natolotra haingana ny fitsarana io mpamily io mba hiarovana ny ainy amin’ny hasosoran’ireo fianakaviana manana ny maty ka nadoboka tany am-ponja.

REMI, Rakotonirina

Share This Post