Ambatofinandrahana : Dahalo maty voatifitra, nahatratrarana basy Mas 36 sy bala efatra tratra



Jacaranda

Nirefodrefotra indray ny basy tany Ambatofinandrahana ny alatsinainy teo. Vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo andian-dahalo nirongo basy saika hanafika tao Fenoarivo dia malaso iray nikoizana nampitondra faisana an’iny faritra iny no maty voatifitry ny zandary, na dia noezahina notsaboina teny amin’ny hopitaly aza, noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny faritry ny sorony. Teny an-dalana dia maty ity dahalo ity, izay mbola nahatratrarana basy Mas 36 sy bala miisa efatra.

Karohina ny namany. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, nisy dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika nandehandeha eran’ny tanàna saika hanafika, nefa nalaky tonga ny zandary taorian’ny fahazoam-baovao, ka napetraka avy hatrany ny vela-pandrika. Raikitra ny fifampitifirana, satria tsy nanaiky lembenana hosamborina mora ireo dahalo fa nanohitra, ka teo no nahalavo an’ity iray lehiben-dahalo ity. Nitsoaka nanavotra aina kosa ireo namany ary mbola karohina hatramin’izao.

Manitrisa

Share This Post