Sambava : Mpangalatra moto sy “autoradio”, voasambotra

Jacaranda

Lasibatry ny mpangalatra ny moto entina miangona sy ny entana tsara tarehy ao anatin’ny fiaran’ireo mpiangona. Talohan’izao nahatratrarana azy ireo izao dia samy efa voarohirohy sy voasambotry ny polisy eto Sambava amin’izao heloka izao avokoa na ilay tovolahy mpangalatra moto na ilay zaza kely 11taona mpangalatra “autoradio” anaty fiaran’olona. Efa nigadra noho ny halatra toy izao avokoa izy roa ireo, hoy ny kaomisera . Ireo mpiangona mihitsy no asian’izy ireo ka ny moto tao ivelan’ny fiangonana katolika tao amin’ny fokontany Antanifotsy, fa ilay “autoradio” kosa nangalariny, ary tratra am-panaovana ny asa ratsiny izy, tao ivelan’ny fiangonana advantiste, ao Analamandrorofo.  Ho an’ity farany ity dia rahefa misy lavaka kely mitovitovy amin’ny haben’ny lohany dia efa afaka miditra anaty fiara izy. Ilay moto kosa dia efa nentiny niala teo ivelan’ny fiangonana, ka tany an-tranon’olona lazainy fa namany no nahitana azy. Nisaoran’ny kaomiseran’i Sambava ireo tsara sitrapo miara-miasa sy manome vaovao azy ireo. Fa nampitandreminy kosa ny vahoaka mba ho mailomailo fa tsy tery làlana ireo mpangalatra. Efa samy natolotra ny fitsara ihany koa izy ireo.

REMI, Rakotonirina

Telma Fibre Vibe

Share This Post