Antsirabe : Toaka gasy 1250 litatra saron’ny zandary

Jacaranda

TOAKAToaka gasy 1250 litatra no saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria Andranomadio ny 27 febroary lasa teo.

Nandritra ny fisavana mahazatra fanaon’ny zandary tao Manandona amin’ireo fiara mandalo  no nahatratrarana ireto toaka gasy maro be ireto. Fiara avy any Amoron’Imania  Nambaran’ilay nitondra fiara fa manana taratasy fahazahoan-dàlana ny tenany mitondra sy mivarotra toaka gasy. Rehefa nosavaina anefa izany dia « bon de livraison » no tany aminy ka 1000 litatra no voasoratra tao amin’ilay taratasy. Notanan’ny zandary  avy hatrany ireo toaka gasy ireo. Marihina fa anaty tavoahangy misarona avokoa ireo toaka saron’ny zandary ireo. Voalaza ihany koa fa mihidy tsara ireo tavoahangy rehetra « cacheté »  nefa rehefa nojerena akaiky tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroany. Tavoahangy efa nampiasaina hoy ny teo anivon’ny zandary no naverina nampiasana indray, raha ny izy anefa, dia tokony handalo  « laboratoire » ny fitaovana toy ireny. Anisan’ny tavoahangy hita tamin’izany ny tavoahangy toaka sambo, ny visy gasy, ary ny tavoahangy fasiana « vinaigre » amin’ny plastika avokoa. Efa nentina teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha ary miandry ny fepetra arahina manaraka ny zandary. Raha ny tokony ho izy moa dia lamandy isaky ny litatra no haloan’ny tompon’ny entana ary doroina avokoa ireo toaka tsy manara-dalàna. Araka ny fantatra dia nokasaina haparitaka eto Antsirabe ihany ireo taoka gasy maro be ireo.

Andry N.

Blueline Air Fiber

Share This Post