Antsiranana – Fanafihana mpiantra CEG PK3: mpainatra 6 no voatsatoka antsy



Jacaranda

Mpianatra 6 no naratra ny alakamisy teo, vokatry ny fanafihana ny CEG PK 3. Voatsindrona antsy avokoa izy ireo. Tokony ho tamin’ny 9 ora maraina no nitrangan’io fanafihana io, raha variana tamin’ny fitokonan’ny mpianatry ny oniversité ny mpitandro ny filaminana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpampianatra dia efa nisy andian-jatovo efa nihaodihaody teo amin’ny sekoly nanomboka ny alakamisy teo. Efa niantso ny mpitandro ny filaminana izy ireo saingy tsy nisy namaly, hoy ihany ity mpampianatra ity. Taorian’ny savorovoro dia nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly manarapenitra izy ireo. Ny dimy efa nivoaka soa aman-tsara fa tovolahy iray 14 taona, izay tsy mpianatra fa nanao fanamian’ny mpianatra, no mbola voatazona noho ny ratra aminy.  Mety hisy fiantraikany amin’ny mpianatra izao tranga izao satria mety hikatona aloha ny sekoly CEG PK3, mandra-pahitana ny vaha olona maharitra. Taitra ary talanjona ny mpampianatra satria tsy fantatra hoe iza no homena tsiny amin’izao raharaha izao? Tsy ny CEG PK3 irery fa eo koa ny CEG de Reference, ny CEG François de Mahy.

Hentitra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Emmo Reg omaly, izay notarihin’ny lehiben’ny faritra ny Kolonely Maevalaza. “Hifankahita isika”, hoy izy, ho an’ireo izay mpandratra ny rahalahiny sy ny anabaviny. Na tiana aza ny zanaka, hoy izy , rehefa manaikitra nono dia ahifika ihany. Tonga ny  anaovana izany. Nampitandrina ihany koa izy ho an’ireo mpanelanelana na mpanao “intervention” fa hahita azy, hoy ihany ity kolonely ity. Efa nipetraka ny baiko rehetra amin’ny mpitandro ny filaminana momba izay.

V.JCL

Share This Post