Andavamamba : Fivarotana roa notafihana 5 lahy nirongo basy



Jacaranda

Ny zoma hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, nirefotra ny basy teny Andavamamba amin’ilay lalana vita rarivato mandeha mianatsimo iny. Mpivarotra roa no notahifana jioilahy miisa dimy nirongo basy kalach. Ny iray fivarotan-kena ary ny faharoa mpivarotra enta-madinika. Teo amin’ilay mpivarotra enta-madinika ry zalahy no nandeha voalohany. Nokendreny tamin’ilay fotoana tsy nisian’ny mpividy. Niditra izy ireo ary nambanany basy ny tompon’ny tsena. Nalainy ny vola avy eo. Nentiny koa ny fahana telefaonina hitany tao. Tsy dia mbola alina loatra ny andro ary mbola misy ihany ny mpandeha hamonjy fodiana. Tsy nahoan’ireto mpangalatra anefa izany fa nifindra nanafika mpivaro-kena tsy lavitra teo indray izy ireo. Voambana basy ihany koa ilay mpivarotra. Noraofiny ny vola maty tamin’io andro io. Tsikaritr’ilay mpivaro-kena hafa anefa ny fihetsik’ireo mpangalatra ka raha mbola variana naka vola izy ireo dia notorahany tamin’ny vato mizana. Taitra ireo jiolahy ka avy hatrany dia nanapoaka basy. Rehefa izany dia lasa nanao tari-dositra nandeha nianatsimo nihazo an’Anosibe izy ireo.

Tsy latsaky ny vola 700 000 ariary no lasan’ireo mpandroba tamin’io sabotsy hariva io.

r.s.

Share This Post