Ambodinisotry : Maty novonoin’ny mpanendaka notsatohana antsy im-balo



Jacaranda

Tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany izy ,saingy efa naman’ny maty satria be loatra ny rà very sy ny fahavoazana. Tsatoka antsy valo no hita teny amin’ny vatany. Ny alin’ny asabotsy teo no nitrangan’ity fanafihan-jiolahy ity. Avy namonjy alim-pandihizana ny lehilahy maromaro ka saika hamonjy fodiana nony avy eo. Nisy nanaraka anefa izy ireo, saingy tsy dia nanaitra ny sainy loatra satria roalahy, izany hoe vitsy noho ny isan’ireo mpinamana. Nony nandalo teo Ambodinisotry dia lasa marobe tampotampoka ireo lehilahy nanaraka. Tsy nisy resaka firy fa navoakan’ireo mpandroba ny antsy ary tonga dia noratraina tamin’izany izay sendra azy. Niezaka ny niarotena ihany ireo vatan-dehilahy maromaro izay natao lasibatra. Tsy mitovy anefa ny hery rehefa misy fitaovam-piadiana ny ankilany. Naratra mafy ny telo ary tafatsoaka kosa ny ambiny. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana avokoa izy ireo. Ny ambiny mba avotra soa aman-tsara ihany raha namoy ny ainy kosa ilay fahatelo noho ny ratra nanjo azy. Ny lasan’ireo olon-dratsy anefa dia tsy nisy afa-tsy izay teny amin’ireo olona nendahina hatrany : finday, vola kely sns. Mizotra mankaiza ity resaka fanafihan-jiolahy eto an-drenivohitra ity? Hatreto aloha dia tsy misy hevitra hafa mihitsy ankoatra  ny fifanenjehana, toa saka sy voalavo eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny olon-dratsy. Raha mangingina kely ny fanafihana ao anatin’ny roa andro dia efa zava-dehibe izay ho an’ny fiaraha-monina ,satria efa misesy loatra. Torak’izany ihany koa ny halabotry sy ny fanendahana. Marina fa ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny vahoaka kanefa dia avela hifamono toa izao hatrany ve? Amin’ny fomba ahoana ny fomba hivoarana raha mba handeha “halaza azy” kely aza dia mbola misy manatsatoka antsy ihany koa? Mila mandinika tsara ny mpitondra ary tsy hilaza indray hoe “tsy vao izao no nisy izany” satria efa migoka ny mangidy loatra ny vahoaka ary mitady hifandrafy aza noho ny tsy fisian’ny fifampatokisana intsony…

D.R

Share This Post