Antalaha : Olona iray maty notifirin’ny miaramila



Jacaranda

Olona iray no fantatra fa maty vokatry ny tifitra nataona miaramila azy tany amin’ny faritr’Antalaha. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana no nahalalana fa nibata bolabolana andremena tao amina toerana nanatobina ity hazo ity io olona io. Rehefa tonga ny miaramila mpiambina dia nilaza taminy ny tsy hakana izany. Nilaza anefa ilay olona fa azy no halainy. Mbola nitohy teo ihany anefa ny resaka ary toa hoe nitaky vola ilay miaramila. Namaly ilay olona voatifitra fa efa nomeny ny lehibeny izany. Tsy nifanaraka mihitsy ny resaka nifanaovan’izy ireo, hoy hatrany ny vaovao ka dia izao niafara tamin’ny fitifirana izao. Tany Cap Est no niseho ity zavatra ity. Maro ny vaovao mahakasika ity fitifirana ity, re tany an-toerana. Voalaza fa karohina ilay miaramila. Efa nandefa mpitandro filaminana hanao famotorana any ny lehiben’ny zandarimaria any an-toerana. Avy amin’izany no hahalalana ny tena zavatra niseho marina tamin’ity raharaha ity.

Remi R./r.s.

Share This Post